<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Blomquist</author>
<lyrics>[V1]
 Avia ry zaza, avia izao,
 Fa indro ny Tompo miandry
 anao ;
 Lazao an'i Jeso ny zava-
 manjo,
 Fa Izy onena ny ory am-po.

[V2]
 Jesosy Mpamonjy nanavotra
 anao,
 Ka zaza malalany koa hianao,
 Ka dia matokia tokoa
 eram-po
 Fa Izy Mpanjaka mahery
 sy to.

[V3]
 Jesosy no tsy manadino anao,
 Tsarovy izany ka mba
 andrandrao
 Ny Tompo malala Izay be
 indrafo ;
 Anao re ny lova tsy mety
 ho lo.

[V4]
 Sasaonao ny foko,
 Mpanavotra ô !
 Ho tonga madio sy mendrika
 Anao
 Ho sambatra aho hahita Anao,
 Mpamonjiko tsara ao
 an-danitra ao.</lyrics>
<title>Avia ry zaza, avia izao FFPM806</title>
<hymn_number>806</hymn_number>
</song>